<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry Sakaizan'ny tanora !
 Zoky be fitia,
 Sakambino moramora
 Izahay mpania.
 Tompo ô ! arovy
 Ny madinikao
 // Aza afoy, fa mba tsarovy
 Tano mafy ho Anao //

[V2]
 Ry Sakaizan'ny tanora !
 Tsinjonao arý
 Izany ady tsy mba mora
 Hitanay etý.
 Tompo ô ! ..sns.

[V3]
 Ry Sakaizan'ny tanora !
 Tanonao izahay
 He ! fa be ny mpanakora
 Raha lavo indray.
 Tompo ô ! ..sns.

[V4]
 Ry Sakaizan'ny tanora !
 Eny, sitrakay,
 Isan'andro, isan'ora
 Ho Anao, izahay.
 Tompo ô ! ..sns.</lyrics>
<title>Ry Sakaizan'ny tanora! FFPM759</title>
<hymn_number>759</hymn_number>
<author>J. McGranahan</author>
</song>